ESPA MORAMANGA: Nahazo fotodrafitrasa vaovao  sy fitaovana marobe | Madatopinfo

Madatopinfo

ESPA MORAMANGA: Nahazo fotodrafitrasa vaovao  sy fitaovana marobe

ESPA MORAMANGA: Nahazo fotodrafitrasa vaovao  sy fitaovana marobe

ESPA MORAMANGA: Nahazo fotodrafitrasa vaovao  sy fitaovana marobe
avril 10
05:46 2018

WebSchool, ivon-toeraa mampiofana mpampivelona ao Moramanga no notokanan’ireo delegasiona mafonja avy amin’ny  Groupama sy ny Orange Solidarité Madagascar tao Moramanga ny herinandro lasa teo. Tonga nanome voninahitra ny lanonana tamin’io fotoana io ireo manam-pahefana tao an-toerana. Nahazo tombony manokana tamin’ity ny ESPA (Ecole Supérieure Paramédicale d’Alaotra-Mangoro) ao Moramanga noho ity ivon-toerana ity ahafahan’ireo mpianatra mpampivelona ao Moramanga manao fikarohana, manomana boky hikarakarana diplaoma ary koa hanatsarana ny kalitaom-pampiananaran’ny mpampiofana.

Ankoatra ny fitokanana ity fotodrafitrasa ity dia nisy ihany koa ny fanomezana fitaovana ho an’ny ESPA WebSchool avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar izay notarihin’ny Filohan’io Fikambanana io, Josie Randriambeloma. Fitaovana izay ahitana kojakoja mikasika ny informatika toy ny “serveur central, écran LED”, ary solosaina maro. Anisan’ny tolotra ihany koa ny fanomezana “20Go connexion haut debit” isam-bolana hanamorana ny lafiny serasera. Mola hitohy hatrany ny asa-sosialy ataon’ny Orange Solidarité Madagascar manerana ny Nosy hanatsarana sy hanomezana fahafam-po ny rehetra ary koa hanamoràna ny andavanandron’ny mponina.

Mickah Raharisoa

orange

Ireo fitaovana avy amin’ny Orange Solidarité Madagascar ho an’ny ESPA

Partager

Articles connexes

Archives

juillet 2018
L Ma Me J V S D
« juin    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
3031