MAMY NIRINA RAHARIMANANA: Nahomby ny fitsidihina tany Mahajanga | Madatopinfo

Madatopinfo

MAMY NIRINA RAHARIMANANA: Nahomby ny fitsidihina tany Mahajanga

MAMY NIRINA RAHARIMANANA: Nahomby ny fitsidihina tany Mahajanga

MAMY NIRINA RAHARIMANANA: Nahomby ny fitsidihina tany Mahajanga
avril 11
08:05 2018

Nifanakalo hevitra sy nifanerasera nivantana tamin’ireo olom-pirenena nandritra ny telo andro tao Mahajanga ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA (MAdagasikara Endrika VAnona), Mamy Nirina Raharimanana sy ireo delegasiona mafonja niaraka taminy. Nafana ny fandraisan’ny mponina tao an-toerana ity kandidà ho Filoham-pirenena ity. Nandritra ireo telo andro ireo no nahafantarany ny tena manahirana ny andavanandron’ny olona tao Mahajanga. Nanoloana izany, nisy ny lohabary an-dasy nataony tao Tsararano ambony ny Sabotsy tontolo andro lasa teo izay nialohavan’ny fotoam-pivavahana. Tsy voatanisa ireo olom-pirenena liana tamin’izany ka tonga nanatrika, nisy ihany koa ireo solotena avy any Soalala sy Marovoay ary ireo faritra manodidina. “Ny olona, ny tontolo manodidina ny olona ary ny lalàna no tena laharam-pahamehana ka hovoaboasana sy hazavaina amin’ny olona”, hoy i Mamy Nirina Raharimanana. “Mangetaheta olom-baovao tsy mbola maloto teo amin’ny sehatra politika izahay, manana fomba fijery vaovao, ary mitaky olona matahotra an’Andriamanitra toa an’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko MAEVA Mamy Nirina Raharimanana hitantantana ny firenena”, hoy ny renim-pianakaviana iray nanatrika ny lohabary an-dasy.

Nametraka rafitra

Anisan’ny anton-dia tany ihany koa ankoatra ny fihaonany tamin’ny mponina tao Mahajanga ny fametrahan’ny Antoko MAEVA ny rafitra isan’ambaratongany, isaky ny Faritra, Distrika, Kaominina ary ny Fokontany. “Amin’izao fotoana izao, saika ny 90 isan-jaton’ny Faritra eto Madagasikara dia efa rakotry ny Antoko MAEVA avokoa”, hoy ihany ity kandidà ho Filoham-pirenena ity nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana. Ankoatra ny tao amin’ny Faritra Boina, efa nipetraka vao tsy ela ihany koa ny ao Maevatanàna sy Tsaratanàna. Nofaritany hatrany koa fa tsy mampatahotra sy tsy mampihemotra azy ny hisian’ny fiovana na tsia ny lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ary vonona hatrany ny MAEVA amin’ny fifidianana rehetra.
Mangataka an’i kandidà Mamy Nirina Raharimanana ny mponina resy lahatra ao Mahajanga ho tonga matetika any an-toerana hifanakalo hevitra ireo paik’ady hampandrosoana sy hanarenana ny firenana.

Mickah Raharisoa

maeva

Ny Filoha Nasionaly Antoko MAEVA, Mamy Nirina Raharimanana sy ireo delegasiona niaraka taminy ary ireo olo-be tao Mahajanga

 

Partager

Articles connexes

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930