RAHARAHAM-PIRENENA : «Ity taona 2018 ity no vitaina ny fifidianana ho Filoham-pirenena», hoy ny Filohan’ny Ceni | Madatopinfo

Madatopinfo

RAHARAHAM-PIRENENA : «Ity taona 2018 ity no vitaina ny fifidianana ho Filoham-pirenena», hoy ny Filohan’ny Ceni

RAHARAHAM-PIRENENA : «Ity taona 2018 ity no vitaina ny fifidianana ho Filoham-pirenena», hoy ny Filohan’ny Ceni

RAHARAHAM-PIRENENA : «Ity taona 2018 ity no vitaina ny fifidianana ho Filoham-pirenena», hoy ny Filohan’ny  Ceni
avril 06
14:04 2018

Na mihemotra aza ny famoahana ny lalàna mifehy ny fifidianana, sy miseho ny karazana tsy fitovian-kevitra maro, tsy maintsy atao alohan’ny 25 Novambra ny fihodinana voalohany ary ny 25 Desambra amin’ity taona ity no hanatanterahana ny fifidianana fihodinana faharoa ho Filoham-pirenena. “Ny kajy araka ny Lalampanorenana no ametrahana ny datin’ny fifidianana. Raha ny tokony ho izy, ny 25 Novambra sy 25 Desambra, no farafahataran’ny fanatanterahana ny fifidianana. Raha tsy mifanaraka amin’izay, na mihemotra ny fifidianana dia mety hanahirana.” Io no tenin’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana na ny Ceni, Hery Rakotomanana tamin’ny mpanao gazety teny Nanisana, ny 6 Aprily 2018. Marihina moa fa nanatanteraka fivoriana teo Nanisana ny Ceni, loabary an-dasy mikasika ny lisi-pifidianana izay ho faranana tanteraka ny tapaky ny Volana Aprily raha ny lalàna teo aloha fa ny 15 Mey raha ny lalàna vaovao mbola saro-piterahana. Nanao antso avo ny Ceni mba irosoana amin’ny fifidianana hialana amin’ny korontana. Resaka fifidianana ihany no sahanin’ny Ceni fa ny ankoatra izay an’ny mpanao politika sy ny mpitondra. Nisy mantsy nanome soso-kevitra, tahaka ny ao amin’ny antoko politikan’ny Bemiray ny tokony handravana ny Antenimierampirenena izay ampangaina fa mpanao kolikoly ka mety hampikorontana ny fifidianana.
“Mahaleo tena tanteraka ny Ceni”. Io no fehezanteny namintinan’ny Filohan’ny «Commission électorale nationale indépendante», raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy, teo Nanisana, mialoha ny adihevitra mikasika ny lisitry ny mpifidy. “Tsy misy fikambanana iraisam-pirenena na Mpitondra Fanjakana na antoko politika afaka manao tsindry amin’ny Ceni. Tsy miankina na amin’iza na amin’iza izahay. Ekena fa mbola tsy tafavoaka ihany ny lalana mifehy ny fifidianana amin’izao valo volana latsaka tokony irosoan’ny fifidianana izao. Efa miasa isanandro izahay amin’izany fanomanana ny fifidianana izany.” Hoy ny Filohan’ny Ceni raha nanohy ny fanambarany. Anjaran’ny Fanjakana na aiza na aiza eto ambonin’ny tany ny miantoka ny fitaovana sy ny fitadiavana fomba hizakana ara-bola ny fifidianana, kanefa tsy midika izany fa manampahefana hibaiko ny Ceni ny mpitondra.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31