ALATSINAIN’NY PAKA ANTSAHAMANITRA : Niakan-tsehatra ny andrarezin’ny vazon’ny Tanàna | Madatopinfo

Madatopinfo

ALATSINAIN’NY PAKA ANTSAHAMANITRA : Niakan-tsehatra ny andrarezin’ny vazon’ny Tanàna

ALATSINAIN’NY PAKA ANTSAHAMANITRA : Niakan-tsehatra ny andrarezin’ny vazon’ny Tanàna

ALATSINAIN’NY PAKA ANTSAHAMANITRA :  Niakan-tsehatra ny andrarezin’ny vazon’ny Tanàna
avril 06
13:29 2018

Tapakevitra tanteraka ny orinasam-pamokarana zavakanto «Manj’art Prod» fa hamerina ny lazan’ny hira sy mozika eto anivon-tany. Raha somary iverenana tokoa ny tantara dia somary nanjakan’ny zavakanto avy any anindran-tany ny teto Andrenivohitra sy ny faritra Avo. Maro ireo mpikarakara lanonana no tsy sahy nampiakatra an-tsehatra ny tarika avy eto an-toerana. Efa zary nalaza mihitsy aza teo anatrehan’ny gadona tropikaly fa : “Mpaminany tsy masina an-taniny ny hira anivon-tany”. Tsy azo lavina aloha fa nisy ihany ny fiankarana an-tsehatra ho an’ireo mpanakanto kalaza tahaka an’ny Mahaleo, Rebika, Ny Ainga, saingy indray maka isan-taona ihany izany matetika. Vitsy raha mitaha amin’ny fitetezam-paritra teto Antananarivo sy ny manodidina izay nataon’ny mpanakanto avy any amoron-dranomasina sy ny tany mafana. Efa eo am-piketrehana ny fiarahan’ireo mpanakanto avy eto anivon-tany ny Manj’art Prod : “Afaka volana vitsy dia ho tafavoaka ny hira iarahan’ny kalazan’ny kanto. Eo am-pikarakarana ny vazon’ny Tanàna mihitsy izahay izao. Ezahina hiverina eny amin’ireo mpankafy indray ny vazon’ny Vohitsara. Fantantsika fa tsy lefy laza ireo kalon’ny andrarezina avy eto amin’ny faritra Avon’ny Nosy, tahaka an’ny Zokibe Mahaleo, Rebika, Ny Ainga; fa mila fohazina tanteraka izany mba tsy ho afaka eny ambavan’ireo mpankafy. Santatra amin’izany ity fiakarana an-tsehatra eto Antsahamanitra ny Alatsinain’ny Paka, 2 Aprily 2018 ity. Anisan’ny nitondra ny vazon’ny Tanana voalohany teo ny tarika Tempo Gaigy notarihin’ny Faniry, narahin’ny hira sy dihin’ny ekipan’ny Sandra ao amin’ny Suspens , teo koa ny hira mamelovelon’ny tarika Lay sy ry Boboh Mahavanina. Nandravaka ny fankalazana ny fialan-tsasatra vita Paka teto Antsahamanitra ihany koa ny fitondran’ny tarika Toko Telon’ i Andry sy ry Tonton Pà ny vazon’ny Vohitsara. Ny tapany hariva dia nanjakan’ny kanton’ny tarika Miandry sy Ny Ainga”. Io no fanambarana tamin’ny mpanao gazety ara-javakanto nataon’ny Lehiben’ny orinasa Famokarana Manj’art Prod, Hasina Fenosoa Randriambelomanana, izay sady mpihira ao amin’ny tarika Lay sy Miandry ihany koa. Manana ny feo miavaka izy, izay vokatry ny fitezana fa tsy nolovaina raha ny filazany. “Tsy dia misy mpanakanto ny lafin-kavanay fa noho ny fitiavako ilay talenta dia namolaka feo tanteraka aho”, hoy hatrany Hasina Fenosoa Randriambelomanana izay indroa niakan-tsehatra teo Antsahamanitra ary navitrika nanaramaso ny fandaminany ankapobeny.
Vaky sehatra
Raha ny Alahadin’ny Sampakazo no fanokafana ny fampisehoana eto Madagsikara ho an’ny Tarika Ny Ainga hatrizay. Niova tamin’ny mahazatra tamin’ity indray mitoraka ity, ary lasa “ Vaky sehatra” ho an’ny Vazon’ny Tanàna : “Eto Antsahamanitra toy ny isan-taona no hanatanterahantsika ny vaky sehatra, saingy niova amin’ilay andro fitsangatsanganana izany na ny Alatsinain’ny Paka. Mifanotrona eto ihany koa ireo mpanakanto mivondrona ao amin’ny mpivoy ny mozika anivon-tany izay atosiky ny mpamokatra Manj’art Prod. Anjaran’ny Tarika ny Ainga no miantoka ny fafinaretana tapany faharoa sady farany eto Antsahamanitra”. Hoy i Luc Rabesaiky, lehiben’ny Tarika Ny Ainga. Hita taratra amin’izany, raha ara-jeografia fa manomboka avy amin’ny tarika avy any Ambohimahasoa Fianarantsoa, izay fiavian’ireo mpirahalahy ao amin’ny tarika Ny Ainga; ary mihazo an’Antsirabe. Anisan’ny nanome lanja ny fampisehoana tao Antsahamanitra ny fiakaran’ny Tarika Kamary, avy any amin’ny Renivohitr’i Vakinakaratra. “Teto Antsahamanitra no nanonkafanay ny fampisehoanay an-tsehatra fony izahay nanomboka nisantatra ny laza. Iarahantsika nahita teo fa nanaraka ny hiranay ny mpankafy.” Hoy ny filohan’ny Kamary. Nampianoka tanteraka ny mpijery ihany koa ny kalon’ny Boboh Mahavanina, izay mpihira monina sy mipetraka eny Iavoloha : “Araraotin’ny olona ihany ny fahitana anay an-tsehatra satria any amin’ny haino amn-jery sy ny fampisehoana anaty efitra no ahitana anay matetika”. Hoy i Boboh. Raha avy any amin’ny Lalam-pirenena fahafito, Ambohimahasoa sy Antsirabe ireo mpanakanto ireo dia anisan’ny namelombelona tanteraka an’Antsahamanitra ihany koa ireo avy eto Andrenivohitra, tahaka ny Suspens : «Efa miverina amin’ny heriny ny tarika. Eo am-panomanana ny ketrika manaraka izahay. Misy ny mpihira vaovao, fa misy koa ny teo aloha hamelomaso hatrany ny tarika”, Hoy i Sandra, lehiben’ny Tarika Suspens. Tsy mifanalavitra gadona amin’izany ny Tempo Gaigy izay nampitorajofo an’Antsonjobe niaraka tamin’ireo zatovon’ny taona 2002, tamin’izany ary nahafeno hipoka an’Antsahamanitra roa taona lasa izay :“ Rehefa ny mpankafy no mitady dia miakatsehatra izahay, tahaka ny tamin’ny 2016 izay niarahanay tamin’ny Tif-a-Tif, eto moa dia ny tarika Ny Ainga no tena tompon-tsehatra fa ny anay fandraisana anjara amin’ny fiarahana amin’ny Manj’Art Prod izay isaorana be dia be amin’ny fampivondronana sy fivoizana ny mpanakanto avy eto amin’ny tanàna”. Hoy Faniry, Lehiben’ny Tarika Tempo Gaingy. Anisan’ny nampigoka hasambarana ny mpiala voly tao Antsahamanitra ihany koa ny Tarika Hasina izay namorona hira hampiraisankina ireo mpanakanto avy eto amin’ny faritra Avon’ny Nosy : “Nifanojo ny famoronako hira ho an’ny vazon’ny tanàna sy ny eritreritry ry zareo ao amin’ny Manj’art Prod. Tsy “Medley”, na sanatria tapaka hira avy amin’ny tarika samihafa no ataonay fa hira iray izay iarahanay rehetra mivazo, ho heno sy ho hita anaty kapila mangirana tsy ho ela.” Araka ny fanambaran’i José Rabeson, lehiben’ny tarika Hasina. Nitondra ny “Aleo hitia mangina anao ny Foko” teo an-tsehatra ihany koa ny tarika Miandry, izay azo lazaina fa Rebika zandriny na zanaky ny tarika Mahaleo raha ny filantolanton’ny hira. Anisan’ny hira malazan’ny taona 2018 io hiran’ny tarika io, ary nanakoako teo Antsahamanitra izany. Anisan’ny mpanakanto malazan’ny Vazon’ny Tanana ihany koa ny tarika Toko Telo, izay mivoy ny gadona alaotra Mangoro, nampihanoka tanteraka an’Antsahamanitra. Nampihetsika ny ambiroan’ny mpitsangatsangana ny fandrenesana an’i Andry sy ry tonton Pà ary ny ekipany nihira ny “Tia an’ny Madama”. “Efa tsy ho ela dia hisy zava-baovao entinay tarika Toko Telo, efa eo ampiketrehana ihany koa izahay miaraka amin’ny Manj’art prod. Ankoatra ireo hira malaza nahafantarana anay dia hisy koa hira vaovao izay hoentinay miaraka amin’ny mpihira vaovao.” Io no tenin’i Jean Christian Andrianantomanantsoa na Andry, lehiben’ny tarika Toko Telo. Fehiny nalaza tao Antsahamanitra ireo santionan’ny hiran’ireo andrarezin’ny kanto rehetra avy any Matsiatra Ambony, nihazo an’Antsirabe, sy ny avy eto Analamanga ary ny avy any Ambatondrazaka. Ho avy tsy ho ela ny rakikira sy rakipeo iarahan’izy rehetra ireo. Torak’izany ihany koa ny fiankarana an-tsehatra manaraka.
Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30