MAMY RAHARIMANANA: Tsy managam-pahavalo ny Antoko politika MAEVA | Madatopinfo

Madatopinfo

MAMY RAHARIMANANA: Tsy managam-pahavalo ny Antoko politika MAEVA

MAMY RAHARIMANANA: Tsy managam-pahavalo ny Antoko politika MAEVA

MAMY RAHARIMANANA: Tsy managam-pahavalo ny Antoko politika MAEVA
mars 29
11:43 2018

Tontosa tao amin’ny Distrika Manjakandriana ny Talata lasa teo ny fihaonan’ny Filoha Nasionalin’ny Antoko Politika MAEVA (Madagasikara Endrika Vanona) Mamy Raharimanana tamin’ny mponina tao an-toerana. Fotoana izay nialohavan’ny fanompoam-pivavahana niraisam-pinonana tao an-tampon-tanàna. “Mitsangàna, mihazavà fa tonga ny fahazavanao”, io no lohahevitra noraisina tamin’izany fotoan-dehibe izany. Maro ny olona tonga nanome voninahitra ity andro ity ka nahafahana nihaona, nifampidinika, nifanakalo hevitra niaraka tamin’ity kandida ho Filoham-pirenena ity tao Manjakandriana. Saika nanatrika tao avokoa ireo solotena isam-pokontanin’’ireo tanàna manodidina toy ny avy any Sadabe sy Miadanandriana.

“Amin’ny mahakandidà Filoham-pirenena ny tenako miaraka amin’ny antoko izay tarihiko dia tsy manangam-pahavalo aho. Anisan’ny toe-tsaina takiako ny fanafoanana ny vono olona etsy sy eroa, tsy hisy intsony ny gadra politika sy ny fifampandaniana ary ny fanavakavahana indrindra ny ara-pinoana”, hoy i Mamy Raharimanana nandritra ny lohabary an-dasy. Araka ny fantatra, isan’ny anton-dian’ity kandida ity niaraka tamin’ireo delegasiona mafonja niaraka taminy ihany koa ny fametrahana ny rafitra isan’ambaratongan’ny Antoko MAEVA tao anatin’ny Distrika Manjakandriana.  Taorian’ny nilazany tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena ny 28 Febroary lasa teo, misesisesy ny fangatahan’ireo olona mangetaheta olom-baovao hihaona aminy ary tsy hijanona ny fitetezany ireo faritra lavitra andriana.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30