SARIMIHETSIKA. MELOK’ELÀ : Hiverina amin’ny heriny ny ekipan’ny Rajao «Malok’ila» | Madatopinfo

Madatopinfo

SARIMIHETSIKA. MELOK’ELÀ : Hiverina amin’ny heriny ny ekipan’ny Rajao «Malok’ila»

SARIMIHETSIKA. MELOK’ELÀ : Hiverina amin’ny heriny ny ekipan’ny Rajao «Malok’ila»

SARIMIHETSIKA. MELOK’ELÀ : Hiverina amin’ny heriny ny ekipan’ny Rajao «Malok’ila»
mars 26
06:22 2018

Kilalaon-teny : « Melok’ela » sy « Malok’ila »; sahala fa tsy mitovy. Hitondra tsiky ho an’ny mpankafy saimihetsika indray ireo mpamelona ny tantara teo aloha Malok’ila, izay nahitana an-dRajao, Raly, Razohary, pasitera, ary Fetra…«Melok’elà»,io indray ny horonan-tsarimehetsika  vaovao sady voalohany hatolotry ny «Tatatata production» miaraka amin’ireo andrarezin’ny sarimihetsika Malagasy amin’ny tantara an-tsary “Malok’ila” teo aloha ary mbola manampy azy ireo koa ireo kintan’ny horonan-tsarimihetsika teratany Malagasy hafa tahaka an’ i Rakotroka sy ireo mpilalao hafa mihitsy izay manana ny maha-izy  sady tsy latsa-danja amin’ireo voalaza etsy ambony. Tsy nihambahamba i Lafatra na  Chantal tamin’ny 104 izay anisan’ireo mpilalao fototra ao anatin’ity horonantsary ity nilaza ny tao am-pony sy ny hafaliany amin’ny  fiara-milalao amin’ny andrarezin’ny sarimihetsika.”Ny fihetsem-poko voalohany indrindra dia tena faly aho fa voafidy tao anatin’ny mpilalao maro hanao io sarimihetsika io. Mahafinaritra ahy ilay anjara-toerana  omena ahy satria mba niova tamin’ny  teo aloha aho. Mba nianatra nampiasa fietsem-po hafa indray. Nahaliana ahy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpilalao kalaza izay sady zoky no namana”.

Ity horonantsary ity moa raha somary hakana fafinaretana mialoha sahady dia mitantara fiainana fianakaviana anakiroa izay manana zanaka mifankatia nefa azo lazaina ho sarotra ihany ilay fiarahana satria zandary izay mpiady amin’ny malaso ny ankilany kanefa ny andaniny kosa dia anaty tambazotran-dahalo, izay toy ny fiainana saka sy voalavo hatrany .Tany amin’ny kaominina Ambohijoky no nanaovana ny fanodinana ny horonan-tsary ary Germain Andriamanantena, izay  efa tsy zoviana amin’ny maro raha sarimehetsika Malagasy, no mpanatontosa azy .Tebiteby, alahelo, ary  ny tsikistiky izay efa nahafantarana an’ireo ekipa ireo no mandravaka  ilay sarimihetsika raha somary atao indray mitopy maso.

Afaka mikoga sahady

Ny mpandray anjara dia efa mankafy sahady ny fahasambarana tamin’ny fihetsehimpo sy ny fihomehezana tahaka ilay tantara nitohy teo aloha. Hoy i Kenzoro, zay anisan’ireo mpilalao fototra ao amin’ity horonantsary ity :”Vao nanatontosa  ny fanodinana ny horonantsary aho dia ohatra ny hoe niverina nijery malok’ila izany fa ny maha-samihafa azy dia izaho koa mba anisan’ireo mpilalao”. Ireo mpilalao vaovao sy tranainy dia samy mahatsapa ny saika fitovian’ny akon’ny teo aloha sy ity Melol’ela ity amin’ny mpankafy. Na izany aza tsy azo lavina ny mahasamihafa azy ireo, eny fa na ny lohan-teny fotsiny aza.”Mifanakaiky fa tsy mitovy ny malok’ila sy melok’elà ary miompana be be kokoa amy lafiny fiainana andavandron’ny Malagasy  ity farany”. Hoy ny  mpilalao sary mihetsika avy amin’ny tranompamokarana iray.

Ny mpakafy horonantsary Malagasy izay sendra ny mpanao gazetinay ihany koa dia efa tsindrin-daona be ihany amin’ny fivoahan’ilay horonantsarin-dry Rajao sy ny ekipany,manoloana izany dia efa tapakevitra ny tranom-pamokarana fa hanatanteraka fijerana ilay sarimihetsika anaty trano.Anisan’ireo toerana hisantarana izany ny any Antsirabe amin’ny faha-25 Martsa ho avy zao,ny any Tsiroanomandidy kosa  dia ny 31 martsa . Ary ny  08 aprily dia anjaran’ny  eny amin’ny  Don Bosco Ivato indray izay antenaina fa irohotan’antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Mbola maro ireo toerana hampisehoana  izany fa aorian’ny fandefasana  azy anaty trano mitety faritra dia manomana ny famoahana ny kapila mangirana ny tranom-pamokatra. Marihina moa fa ny Mpanao gazety izay manoratra ny lahatsoratara dia anisan’ny mpilalao fototra amin’ny horonan-tsary, hany ka nahazo tombondahiny manokana isika mpankafy ny gazety.

Zara Andry Josephin / Haja Nirina

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30