BETSIBOKA .LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Roa naratra mafy tao Tsarahonenana | Madatopinfo

Madatopinfo

BETSIBOKA .LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Roa naratra mafy tao Tsarahonenana

BETSIBOKA .LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Roa naratra mafy tao Tsarahonenana

BETSIBOKA .LOZAM-PIFAMOIVOIZANA  :  Roa naratra mafy tao Tsarahonenana
mars 07
14:35 2018

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny lalam-pirenena RN4 mampitohy an’Antananarivo -Mahajanga,ny Alatsinainy 17 Febroary lasa teo. Roa no naratra mafy, fokontany Tsarahonenana kaominina ambanivohitra Andriba distrika Maevatanana ao amin’ny faritra Betsiboka.
Fiarakodia “Starex” iray,an’ny orinasa mpandefa taratasy sy entana no nivadika teo eo amin’ny PK 217+300 raha avy any Mahajanga ka handeha hanao todi-doha miverina eto an-drenivohitra. Tamin’ny roa ora latsaka fahefany maraina no nisehoan’ny loza.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Brigade Andriba tany an-toerana dia tratran’ny “torifotsy” ilay mpamily ka tsy nandeha amin’izay laoniny intsony ny familiana nataony. Niteraka fivadian’ilay fiara izany, tsy voatazon’ilay mpamily intsony ny “familiana” ka izao naharatrana olona roa izao dia ilay mpanamory fiarakodia sy ny mpanampy azy na “aide-chauffeur”. Tsy izany ihany fa potika ilay “starex” taorian’ny fivadibadihany tany amin’ny hantsana.
Rendri-torimaso
Maro ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona betsaka sy nandratrana ampolony maro, tamin’iny lalam-pirenena RN4 iny. Saika fifandonana avokoa no anton’izy ireny, ity tranga niseho tany amin’ny fokontany Tsarahonenana ity kosa anefa dia vokatry ny tsy fahafehezan-tenan’ilay mpamily noho ny tsy fampian’ny torimaso. Tsara kokoa raha hamafisina ireny mpitandro filaminana manao fisavana eny amin’iny lalam-pirenena iny mba hanaitaitra ireo mpamily matetitetika.
Faniry SAHOLINIRINAY

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juin 2018
L Ma Me J V S D
« mai    
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930