TARIKA BLACK NADIA: Feno hipoka Le Glacier Analakely | Madatopinfo

Madatopinfo

TARIKA BLACK NADIA: Feno hipoka Le Glacier Analakely

TARIKA BLACK NADIA: Feno hipoka Le Glacier Analakely

TARIKA BLACK NADIA: Feno hipoka Le Glacier Analakely
mars 05
06:49 2018

Lany tanteraka ny tapakila miisa 1.000 nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Black Nadia tao amin’ny Hotel Le Glacier Analakely ny alin’ny zoma 02 Martsa lasa teo. Nafana dia nafana ny trano filanonana nanomboka tamin’ny 9 ora alina hatramin’ny marainan’ny andro, tsy nisy niala ireo mpakafy. Hira maro no nataon’ny tarika nandritra io fotoana io, saika natao tao avokoa ireo hira rehetra nahafantarana an’i Black Nadia tao anaty raki-kira telo fa ny ankamaroany tao amin’ny raki-kira fahatelo. Niavaka ny seho, tarika Black Nadia ranoray no nanafana ny sehatra ary ireo mozika mafana no tena nisongadina. Samy nahazo ny anjarany avokoa ireo mpijery tao anatin’ny Le Glacier Analakely, tao ireo izay tia ny hira somary nilamindamina, tsy diso anjara ihany koa anefa ireo mpankafy ny hira mihetsika. Tsy nifidy taona ireo tonga tao an-toerana, na ny tanora na ireo efa nahazo taona, tao ihany koa ny tera-tany vahiny. Anisan’ny nitiavan’ny mpakafy azy ireo efa hatramin’izay ny fahatsaran’ny kalitaon’ny hiran’i Black Nadia sy ny fahaizan’izy ireo manolotra ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy na ny eto Antananarivo na ny any amin’ny faritra.
Afa-po ny mpikarakara, resy lahatra ihany koa ny AGK Comore izay efa mpiara-miasa sy mpanohana akaiky amin’ny tarika Black Nadia. Hifamotoana tsy ho ela miaraka amin’ny mpanaraka azy ireo indray ny tarika any Mahajanga sy Toamasina.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31