FIM : Firenena 30 no handray anjara | Madatopinfo

Madatopinfo

FIM : Firenena 30 no handray anjara

FIM : Firenena 30 no handray anjara

FIM : Firenena 30 no handray anjara
mars 03
08:46 2018

Hotanterahina mandritra ny efatra andro eny amin’ny Zone Forello Tanjombato ny ny Asia Enjoy Madagascar etsy @Forello Tanjombato, ny 22, 23 ary 24 Martsa ho avy izao izany. Hetsika izay hanomezan’ny Première Ligne vahana kokoa ireo tranombarotra manerana ny firenena samy hafa ary eo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Hanamarika ny tontolo ara-barotra sy ara-toe-karena eto Madagasikara ny FIM. Hetsika efa karakarain’ny Première Ligne isan-taona ity ary hanatsara ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany. «Hanao izay ahafa-po ny mpandray anjara rehetra izahay amin’io fotoana io. Mahazaka tranoheva maro ny ao anatin’ny toerana satria mirefy hatramin’ny 12.000 metatra tora-droa. Hiavaka tokoa ny FIM amin’ity andiany manaraka ity”, hoy ny tompon’andraikita Michel Domenichini Ramiaramanana nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Alakamisy 01 Martsa lasa teo tetsy Antaninarenina. Araka ny fantatra,  anisan’ireo firenena handray anjara amin’ny hetsika i Bangladesh.

Raha ny voalaza hatrany, isan’ny vinan’ireo mpikarakara ny hampisy ny hetsika manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara mba hampivelatra kokoa ny fampandrosoana ara-toe-karen’ny Malagasy. Mandritra ity hita etsy amin’ny Zone Forello Tanjombato mandritra ny efatra andro ity, tsy diso anjara ihany koa ireo mpitsidika, tsy misy ny vidim-pidirana fa 0 ariary ny karatra fanasana izay raisina amin’ireo orinasa mpiara-miombon’antoka. Ny Première Ligne izay efa fanta-daza amin’ny fikarakarana hetsika goavana toa ity eto Madagasikara.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930