ARLETTE RAMAROSON: “Ny fahamarinana no manandratra ny firenena” | Madatopinfo

Madatopinfo

ARLETTE RAMAROSON: “Ny fahamarinana no manandratra ny firenena”

ARLETTE RAMAROSON: “Ny fahamarinana no manandratra ny firenena”

ARLETTE RAMAROSON: “Ny fahamarinana no manandratra ny firenena”
février 26
08:10 2018

Efa hiditra amin’ny volana martsa isika izao, mbola vitsy ireo nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny firotsahany hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Arlette Ramaroson, Filohan’ny vondron’ny tia tanindrazana ho an’ny fanarenana an’i Madagasikara, vehivavy voalohany nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny fahavononany handray anjara amin’io fifidianana io teny Mandrosoa Ivato ny Zoma 23 Febroary lasa teo. Raha tsiahivina, efa ho 12 taona teo ho eo izay ny tenany no niditra tao anatin’ny sehatra politika ary anisan’ny nahafantarana azy bebe kokoa ny fitakiana ireo Nosy manodidina. Mpitsara nandritra ny 25 izy teto Madagasikara ary 15 niasàna tao amin’ny Tribonaly iraisam-pirenena ka lany Filoha lefitr’io Tribonaly io.
« Ny fahamarinana no manandratra ny firenena », io no teny fimalatr’ity kandida ity. Ampy izay ny fahantrana ary mila olom-baovao tia tanindrazana ny firenena hoy izy nandritra ny lahateniny. Isan’ireo nisongadina tao anatin’ny fahampafantarany ny vinam-piaraha-monina ny fitakiana lalampanorenana vaovao sy ny famerenana ny hasin’ny fitsarana. “Tsy ho tafaverina ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena izay lasa sakana ho an’ny fampandrosoana sy ny fitokisan’ny vahoaka ny Fitsarana raha tsy manana ny fahaleovantenany ny fitsarana ka tsy hitsabahan’ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny mpanam-bola ny didim-pitsarana sy ny fanadinana hidirana ho mpitsara”, iray amin’ireo voarakitra ao anatin’izany vinam-piaraha-monina izany. Vonona tanteraka ny vehivahy hiatrika izany fifidianana Filoham-pirenena izany.
Raha ny fantatra hatreto, ho tanterahina ao anatin’ny volana Novambra sy Desambra amin’ity taona 2018 ity ny fifidianana izay hitondra an’i Madagasikara ary hantenain’ny vahoaka fatratra ny hisian’ny fitoniana tanteraka mandritra izany taom-pifidianana izany.

 

arlette

Arlette Ramaroson sy ireo mpiara-dia aminy teny Ivato

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

septembre 2018
L Ma Me J V S D
« août    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930