ASA TANANA, AMORON’I MANIA : Tsy misy mpizahan-tany ka misedra olana ny «art Zafimaniry» | Madatopinfo

Madatopinfo

ASA TANANA, AMORON’I MANIA : Tsy misy mpizahan-tany ka misedra olana ny «art Zafimaniry»

ASA TANANA, AMORON’I MANIA : Tsy misy mpizahan-tany ka misedra olana ny «art Zafimaniry»

ASA TANANA, AMORON’I MANIA : Tsy misy mpizahan-tany ka misedra olana ny «art Zafimaniry»
février 19
16:05 2018

Mandalo fotoan-tsarotra ny asa tanana Zafimaniry ao amin’ny faritra Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao. Voasokajy ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena izy ity ary tena reharehan’i Madagasikara tokoa, nefa dia izao ianjadian’ny olana izao. Ny tsy fisian’ny Mpizahatany izay mpanjifa voalohany ity vokatra ity no tena olana lehibe indrindra. Mihena arak’izany ny vola miditra, tsara ho marihina fa mamelona fianakaviana am-polony maro ity asa tanana manana ny maha-izy azy ity. Ankoatra izany, manampy trotraka ny fahasarotan’ny fitadiavana sy ny halafon’ny ankotra fototra toy ny “bois de rose” na andramena ary ny ” palissandre” na ny voamboana. Efa miha lany tamingana moa ireo karazan-kazo ireo noho ny firongatry ny fanondranana azy ireny antsokosoko sady tafiditra ao anatin’ny ala arovana ihany koa ka mananosarotra ny ahazahoana alalana hitrandraka azy ireny. Mitaraina araka izany ireo mpanao asa tanana ny mba hijerena azy ireo manokana indrindra eo amin’ny lafiny fampitaovana amin’ny akora fototra izay efa voalaza teo aloha. Ananan’ny Madagadikara tokoa mantsy ireo hazo ireo saingy matetika toa ny mahitahita ihany no afaka misitraka sy mahazo tombony amin’izy ireny amin’ny alalan’ny fanondranana tsy ara- dalana izay efa mahazo laka tanteraka. Manoloana izany dia mahatsiaro ho toy ny tompony mangatak’atiny ireo mpanao asa tanana Malagasy.

Fenosoa Charline

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juin 2018
L Ma Me J V S D
« mai    
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930