FANABEAZANA | Madatopinfo

Madatopinfo

FANABEAZANA

FANABEAZANA

FANABEAZANA
février 14
16:20 2018

Olana sesilany no atrehin’ny sekoly tsy miankina
Mijanona ho dokam-barotra ho fampidiram-bola fotsiny fa tsy misy fanatanterahana matetika ny vinan’ireo sekoly tsy miankina sasany. Tsy afaka miditra lalina ny Ministera mpiahy noho ireto farany izay lazaina fa mahaleo tena na “École libre” ka manao izay iadanin’ny kibony. Faly sahirana toa akohokely notsimpazam-potsimbary ankehitriny ny mpitantana ireny sekoly miahy tena ireny. Zary ho lasa tombotsoan’izy mantsy ny fanalavana ny taom-pianarana, indrindra ny fanemoranany fanadinam-panjakana toy ny bakalorea amin’ny volana Septambra. Tsy vitsy tamin’ireo sekoly tsy miankina no efa nianatra ny volana Septambra ka noho izany herintaona angarangidina noho izany ny fandoavana saram-pianarana ho an’ny ray aman-dreny na ny mpiahy. Ireto farany izay very hevitra ihany raha toa ka tsy alefa andakilasy volana vitsy mialoha ny Bakalorea ireo menakiniainy. Ny Didec izay misahana ny sekoly katolika eo amin’ny Diosezin’Antananarivo dia efa nanalbara mazava nandritra ny vakansin’ny valan’aretina pesta farany teo fa folo volana ihany ny saram-pianarana aloha, ary raha tsy nianatra aza nandritra izany fialantsasatry ny aretimandoza izany dia tsy maintsy manefa adidy ny ray aman-dreny. Misy ireo sekoly hafa tsy miankina anefa toa mody sady manarakefa ny Didec fa tsy maintsy aloha ny volana Octobre sy Novambra farany teo no mandranjo ny fanapahakevitry ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa mihitatra ny taom-pianarana. Ny Fanjakana foibe ihany koa mikendry vato amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia tsy sahy mihenjana amin’ny tena izy. Toazaran’ny Fitondrana aza nisy ireo loza voajanahary dia tanteraka tsy misy ady hevitra ny fihemoran’ny taom-pianarana mba hiditra vita maintso ahitra amin’ny taona 2022. Ny mpampianatra moa, noho ny fahasarotan’ny fitadiavana asa dia tsy manam-pidiny toa ondry andrasana. Tsy vitsy ireo sekoly tsy mampiasa mpampianatra mandritra ny fanarahamaso ny fanadinana noho ny fanahenana ny ora sy karaman’izy ireo. Zary lasa fifanenjehana sy fifanilihana andraikitra sisa no misy fa ny tena fitiavana ny fanabeazana tsy misy. Raha mampitaha amin’ny sekoly tatsinanana aziatika isika dia mampidikizo ny firenena sy ny taranaka. Ny manana Cepe any amin’ireo firenena ireo efa afaka mahavita kojakoja an-tokatrano sy ny fanjairana ary ny fitaovana izay ilaina andavanandro tahaka ireo lazaintsika fa mora simba amidy eny Behoririka. Ny antsika anefa manana bakalorea tsy mahay mitana fanjaitra nefa tsy afaka itana birao koa fa diso tsipelina na tenin-dreny na teny Frantsay anaovana ny taratasim-panjakana rehetra. Ny Cepe aza moa ho foanana fa tsy misy vidiny. Tsy lazaina intsony izao karazana fitadiavam-bola ataon’ny sekoly tsy miankina sasany : mitondra taratasy fotsy iray fonosana, fanamiana isan-tsokajiny, opération cake na lasopy,voyage d’étude, … zary Bizina ny sekoly ka maniry toa anan-drano isaky ny elanelan-trano izy manerana ny Renivohitra.
Miova andriana miova sata
Isaky ny miova Mpitondra dia miova ny fampianarana, tsy miova makany amin’ny fampandrosoana fa miova araka ny takian’ireo mpamatsy vola. Foana ny Cepe hono e, ahemotra volana marsa ny fidirana e, teny Frantsay indray ny fampianarana rehefa nidofotra ny fanagasiana e, Contrat programme, Apc na approche par les compétences, LMD indray izao e… Sasatry ny miova ka tsy misy hevi-baventy matotra intsony ifehezana ny fampanarana. Tsy ampiharina akory ilay fiofanana eo anoloana, tsy mbola tonga akory ny fitaovana enti-miasa dia efa ialana ilay lazaina fa drafitra tena izy kay ts’izy akory. Ny fahazotoan’ireo Minisitra Mpiahy ny fanabeazana MEN, MEETFP, MESUPRES.. mitsidika ny sekolim-panjakana mba irian’ny mpampianatra sy ray aman-dreny koa hijery akaiky ireo sekoly tsy miankina. Ny olana mipetraka anefa raha vao omanina ny fitsidihin’izy ireny dia olona voafidin’ny tale no mandray fitenenana ka manarona ny tena marina izay efa takoman’ny valopy fisaorana.
Ny Ravo RAVONJY.

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juin 2018
L Ma Me J V S D
« mai    
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
252627282930