EASY PARK 2017: Nahatratra 70 isan-jato ny mpampiasa “parking” | Madatopinfo

Madatopinfo

EASY PARK 2017: Nahatratra 70 isan-jato ny mpampiasa “parking”

EASY PARK 2017: Nahatratra 70 isan-jato ny mpampiasa “parking”

EASY PARK 2017: Nahatratra 70 isan-jato ny mpampiasa “parking”
février 14
08:39 2018

Anisan’ny mahavelom-bolon’ny ankabeazan’ny mponina eto Antananarivo renivohitra ny rindram-damina apetraky ny Easy park izay misahana indrindra ny fandaminan’ny fiara mijanona eny toerana natokana ho amin’izay. Nanomboka ny taona 2017, tsikaritra fa efa zatra mampiasa ireny « parking » ireny ny olona mpampiasa fiara. Raha ny fantatra, nihena ny olona voasazy tamin’iny taon-dasa iny raha oharina ny taona 2016 ary manomboka manaraka ny lalàna misy ny mponina eto Antananarivo renivohitra ka azo lazaina fa mirindra izay fandaminana eo amin’ny lafiny « parking » izay. « Tratra ny tanjona eo anivon’ireo faritra iandraketan’ny Easy park. Ny taona 2017 ihany koa, nanapan-kevitra ny Kaominina Antananarivo renivohitra fa hanitatra ny faritra iadidian’ny Easy park ka nanome an’Antanimena, Behoririka, Ambatonakanga, Ambohijatovo ary Tsaralalana », hoy i Manitraritiana Rakotoson, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny Easy park. Ankoatra izay, nahitana fitomboany ihany koa ny mpampiasa parking tamin’ny taon-dasa ka tafakatra hatramin’ny 70 isan-jato raha mbola latsaky ny 50 isan-jato izany tamin’ny 2016. Na izany aza, misy hatrany ny sazy ampiharin’ny Easy park ho an’ireo mbola minia tsy manara-dalana.

ASVP
Manana andraikitra goavana ny ASVP (Agent de Surveillance de la Voie Publique) na mpanara-maso eny amin’ny lalam-bahoaka eo ambanin’ny fiahian’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Miisa 53 mianadahy izy ireo manerana ny faritra hiasan’ny Easy park. Manoro ny olona amin’ny tokony ataony rehefa miantsona eo amin’ny parking ny ASVP, ary mahazo alàlana manasazy ireo izay tsy manara-dalana amin’ny fampiasana parking izy ireo. «Tsy mifanitsaka amin’ny andraikitry ny polisy kaominaly ny ASVP izany hoe tsy manana alalana hisava ny taratasin’ny fiarabizy ireo fa voafetra hatreo amin’ny tontolon’ny fampiasana parking ihany ny asan’izy ireo. Ary mandalo dingana maro ireo ASVP ireo vao afaka manasazy. Marihina ombieny ombieny fa tsy mahazo mandray vola amin’ny endriny rehetra izy ireo», hoy hatrany i Manitraritiana Rakotoson, sady mpiandraikitra ny ASVP.

Mickah Raharisoa

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

décembre 2018
L Ma Me J V S D
« nov    
 12
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930
31