FITATERANA | Madatopinfo

Madatopinfo

FITATERANA

FITATERANA

FITATERANA
janvier 20
15:12 2017

 

 FITATERANA: Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ireo làlam-pirenena teto Madagasikara

Voa nanomboka ny taona dia namoa-doza ny fiarakodia “Mercedès-Benz Sprinter” mpitatitra mpandeha , satria efa maherin’ny 10 hatreto ireo aina nafoy vokatr’izany. Vao herinandro monja no nisian’ilay lozam-piarakodia mahatsiravina tao Ilempona RN7, raha nifandona tamina kamiao mpitatitra entana izay nifanenana taminy ny taksiborosy “Sprinter” iray. Maty tsy tra-drano ilay mpamily sy mpandeha telo hafa. Maty ihany koa ilay zazakely. Indrisy fa tsy tàna ihany koa ny ain’ilay zazakely raha iny noentina nihazo ny hôpitaly loterana Andranomadio Antsirabe iny. Taksiborosy mampitohy an’i Fandriana sy Antananarivo ity niharan-doza ity, ny Alatsinainy faha-02 Janoary 2017  atoandro. Araka ny loharanom-baovao, dia samy nandeha mafy sy naka afovoan-dàlana  tanaty fiolahana teo Ilempona ireto fiarakodia nifandona ireto. Araka izany dia fito no maty raha toa ka 21 mianaka ireo mpandeha tao anatin’io “sprinter” io Nisy fianakaviana iray ny telo tamin’ireo. Naratra mafy ihany koa ny mpamily ilay kamiao ka nalefa tany  amin’ny hôpitaly  tany Antsirabe.

Kilaometatra tsy lavitra loatra io nisehoan-doza io dia mpandeha efatra no maty raha maty teo noho eo ny roa, namoy ny ainy teny an-dàlana nihazo ny hôpitaly CHU JRA Ampefiloha kosa ny iray. Araka ny loharanom-baovao dia nanjavona vao maraina ny andro tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny io Alatsinainy faha-09 Janoary 2017 io. Nisy kamiao TATA iray simba ka nihantsona teo ankavanan-dàlana. Nanamboatra azy tao ambany tao ny mpanampy mpamily. Nandeha mafy ity taksiborosy mpitondra mpandeha avy any Farafangana ity no saika hisongona ilay fiarabe simba  teo ankavanan-dàlana kanjo efa  nisy sarety notarihin’ny omby efa tafa-tsidika teo aloha. Hany herin’ilay mpamily namatratra ilay fiarakodia “sprinter” nentiny teo amin’ilay kamiao Tata sy nifaoaka azy. Maty voatsindry tao ambanin’ilay kamiao ilay mpanampy mpamily raha toa tsy tra-drano ihany koa ilay mpamily taksiborosy.

Nandray andraikiny avy hatrany moa ireo solon-tenam-panjakàna tany amin’ireo toerana nisehoan’ny loza ireo. Miteraka resa-be eo amin’ny tontolon’ny fitaterana ankehitriny ny amin’itony firakodia matanjaka sy haingam-pandeha “Mercedes-Benz sprinter” itony. Efa maro maro ihany izay namoa-doza namono olona tamin’itony karazana fiarakodia itony. Efa nisy ireo namono maro teny amin’ireo tanàn-dehibe samihafa vokatry ny tsy fitandremana teo amin’ny mpamily. Nisy mihitsy ary moa sazy nampiharina tamin’ireo kaoperativa mpitatitra olona. Kanefa hatramin’izao dia minia mangina tsotra izao ny Ministeran’ny Fitaterana eto Madagasikara amin’izao “Sprinter”  famonoan’olona mandehahandeha izao na an-tanàn-dehibe izany na eny amin’ny làlam-pirenena? Samy tompon’andraikitra ny rehetra mba hisorohana ny loza mahatsiravina toy ireo.

Randrianaivoson Elie

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031