VAOVAON’NY KAOMININA IVATO | Madatopinfo

Madatopinfo

VAOVAON’NY KAOMININA IVATO

VAOVAON’NY KAOMININA IVATO

VAOVAON’NY KAOMININA IVATO
janvier 20
15:04 2017

 

VAOVAON’NY KAOMININA IVATO

KAOMININA  SY NY FIANGONANA ADVANTISTA IVATO : Samy vonona ho amin’ny fiaraha-miasa matotra sy maharitra.

“Zava-dehibe loatra ho anay izao fahatongavan’ireo raiamandreny tarihin’ny Pasitera sy ny loholona eo anivon’ny Fiangonana advantista Ivato, tonga niarahaba sy nitondra firarian-tsoa sy am-bavaka ny Kaominina izao. Tsapanay  fa tsy mitondra  irery an’ity kaominina ity izahay. Marina fa izahay no raiamandrenin’ny tanàna eto, kanefa ny fanirianay dia ny fiangonana rehetra ato anatin’ity Kaominina ity mba hanao izao ataon’ny advantista izao, dia mba samy hahatsapa daholo fa tao- trano tsy efan’ny irery tokoa ny fitantanana ny kaominina.  Izahay amin’ny maha-mpitantana ny kaominina anay dia mitaiza ny vahoaka araka ny lalàna sy ara-batana, fa ireo fiangonana kosa dia heverinay fa manana adidy sy andraikitra lehibe hitaiza ireo vahoaka ireo amin’ny ara-panahy ary indrindra koa hitarika azy ireo handeha amin’ny làla-mahitsy sy tokony harahiny ato anatin’ny fiarahamonina. Isaoranay be dia be tokoa ny fiangonana advantista amin’izany. Ary asehonay eto fa izahay dia tsy mihataka amin’ireo mpitantana ara-panahy rehetra ato anatin’ity kaominina ity, toy izao ataon’ny advantista izao!”, hoy ny Lefitra faharoan’ny Ben’ny Tanànan’Ivato, raha avy nandray ireo delegasiona manokana izy ireo ny Zoma faha-13 Janoary 2016 tao amin’ny biraon’ny Kaominina.

Nandray ny delegasiona tamin’izany ny Ben’ny Tanàna, Andriamatoa Randrianarisoa Penjy sy ny lefitra faharoa, Rakotosolo Clément izay solontenan’ny Mpanatanteraky ny Kaominina. Ny Pasitora Rakotoarisoa Oded Mpitandrina ny Distrikan’ny Fiangonana Advantista Ivato kosa no nitarika ny delegasionan’ny Fiangonana. Nanotrona azy tamin’izany ny Loholom-piangonana isany Ramamonjisoa Elie sy Randrianaivoson Elie. Ankoatry ny fitrotroana am-bavaka nataon’ny Pasitora Rakotoarisoa Oded, dia nanolotra mari-pahatsiarovana kely avy amin’ny fiangonana ho an’ireo Mpanatanteraka efatra mitantanana ity kaominina ity ny delegasiona. Nisy sahady moa fiaraha-miasa nentin’ny Ben’ny tanàna nanamafy izany fiaraha-miasa matotra sy maharitra izany.

Randrianaivoson Elie

 

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031