KIANJAN’NY DEMOKRASIA AMBOHIJATOVO | Madatopinfo

Madatopinfo

KIANJAN’NY DEMOKRASIA AMBOHIJATOVO

KIANJAN’NY DEMOKRASIA AMBOHIJATOVO

KIANJAN’NY DEMOKRASIA AMBOHIJATOVO
janvier 20
12:31 2017
  • KIANJAN’NY DEMOKRASIA AMBOHIJATOVONitaky ny fahalalahana maneho hevitra ny RMTFFiara be iray, fiaran’ny Emmoreg miisa telo, am-polony maro ireo mpitandro filaminana tonga teny amin’ny kianjan’ny demokrasia teny Ambohijatovo ny Talata 17 Janoary lasa teo. Nanomboka tamin’ny fito ora maraina teo ho eo izy ireo no efa nihantrana teny araka ny loharanom-baovao voaray. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany kosa no tonga ny avy amin’ny RMTF (Rodobe ny Tia tanindrazana ho Fanorenana), tsy nisy ny famoriam-bahoaka nandritra izany fa olona vitsivitsy no hita teny an-toerana nanatanteraka fanateram-boninkazo sy nilanja sora-baventy manamarika ny fahavalo taonan’ny kianjan’ny demokrasia. Hetsika notarihin’ny Filohan’ny RMTF Edouard Tsarahame. Minitra folo teo ho eo ny fotoana nijanonan’io fikambanana io teo Ambohijatovo. Araka ny fantatra, tsy nahazo alàlana niditra tao anaty kianjan’ny demokrasia nisy ny tsangambato ny RMTF fa manoloana ny vavahady ihany no nametrahany izany fehezam-boninkazo izany.

    Nisy ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsika, etsy andaniny ny RMTF nilaza: “nanaraka ny lalàna izahay, efa nanao fangatahana tany amin’ny Kaominina ary efa nahazo fanomezan-dàlana tany amin’ny Prefect de Police, fa tsy manao zavatra kitoatoa akory”. “Mangataka amin’izay izahay fa tsy fahatsiarovana no hataonay fa fanehoan-kevitra amin’izay”, hoy hatrany ny tenany. Etsy ankilany kosa, ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra, lehiben’ny vondrom-pileovana ny zandarmariam-pirenena eto Antananarivo nanambara fa tsy afaka hanao ny fihetsiketsehana an-dalam-be rehefa tsy mahazo alàlana na inona na inona endrika hanatanterahana izany, nambarany hatrany fa ny “Prefecture de police” no nanome baiko ireo mpitandro filaminana ireo mba hanara-maso sy hifehy ny filaminam-bahoaka mba tsy hisy ny fihoaram-pefy. Nandritra izany, tsy nisy korontana fa nizotra am-pilaminana ny hetsika. Marihina fa mbola nijanona teny Ambohijatovo sy ny manodidina ireo avy amin’ny Emmoreg nandritra ny ora vitsy taorian’ny fanateram-boninkazo nataon’ny RMTF.

    Mickah RAHARISOA

     

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30