ANDRAMASINA. MILA FIARA FITONDRANA MARARY | Madatopinfo

Madatopinfo

ANDRAMASINA. MILA FIARA FITONDRANA MARARY

ANDRAMASINA. MILA FIARA FITONDRANA MARARY

ANDRAMASINA. MILA FIARA FITONDRANA MARARY
janvier 16
09:50 2017

ANDRAMASINA. MILA FIARA FITONDRANA MARARY

Manao antso avo amin’ny zanaky ny Distrika aty am-pita ny Depiote

Maro amin’ireo marary mafy no tsy tana ny ainy noho ny haratsin’ny làlana sy ny dia an-tongotra amam-polony kilaometatra  mamonjy ireo fiara fitanteram-bahoaka mba ihazo ny toeram-pitsaboana aty Andrenivohitra. Fiara fitanterana marary izay tsy vitan’ny mpitsabo any an-toerana fa mila miakatra maika mamonjy an’Antananarivo no mampitaraina ireo mponina amin’ny Distrikan’Andramasina. Anisan’ny vaindoham-pangatahana nataon’ny Solombavambahoakan’i Madakasikara izay voafidy tamin’iny faritra Tsaravoninahitra iny izany: “Tsy mba manana velively izany “ambulance” izany io Distrikan’Andramasina izay midadasika be io. Farafahakeliny fiara telo no tokony fitaomana ireo tsy salama sy saro-piterahana hiakatra avy amin’ireo kaominina maro ihazo ny ivontoeram-pitsaboana any andrenivohitra”, hoy ny antso avo nataon’ny Depiote zanak’Ambohimiadana , Razanakoto, teo anatrehan’ny mpanao gazetinay.

Atefa manokana amin’ireo vato nasondrotry ny tany ny fangatahana ireo fiara ireo, indrindra ireo aty dilambato. “Maro ny zanaky ny distrikan’Andramasina no mila ravinahitra aty ampitan-dranomasina aty. Fantatro fa manana ny fikambanana izay mampivondrona anareo ianareo rehefa mandalo aty ivelany aho, indrindra ny eto Frantsa. Efa betsaka ny asa fanasoavana ny mpiara-belona nataonareo fa ity fiara natokana hamonjena ireo tratran’ny tsy fahasalamana sy sarotra fiterahana ,mila entina miakatra mamonjy ny Renivohitra kosa, mba anaovana antso avo manokana amin’ireo malala tànana”, hoy hatrany ity olomboafidy avy amin’ny tapany atsimo atsinanan’ny faritra Analamanga ity, nanohy ny hafany amin’ireo teratany Malagasy monina aty am-pitandranomasina.

Tsy nisalasala ihany koa ny Solombavambahoakan’Andramasina nitodika amin’ny Fitondrana foibe amin’ny famatsiana izany fiara mpitondra marary izany, indrindra amin’ny fanamboaran-dàlana izay mampikaikaika ny mponina any an-toerana amin’ny vanimpotoanan’ny fahavaratra toy izao. Maro amin’ny vokatra toy ny ovy, tenona, tefy, fanaka, trondron’ny Tsiazompaniry… no ataon’ireo mpijirika tatireraka, noho ny faharatsian’ny làlana tahaka ny avy any Fitsinjovana Bakaro sy Sabotsy Manjakavahoaka. Anisan’ny ihantan’ny mponina manokana amin’izany fanamboaran-dàlana izany, indrindra ny fangatahana fiara tsy matahodàlana hitondrana marary amin’ny vadin’ny Filoha, Voahangy Rajaonarimampianina izay avy amin’iny faritra iny. Marihina moa fa efa zary fitaovana fakan’ny mpanao politika vato amin’ny fifidianana ny fampanantenana ny ho fanamboarana iny làlana Ambatofotsy Tsiazompaniry iny hatramin’ny fahaleovan-tena mandrak’ity ny androany.

HAJA Nirina

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juillet 2018
L Ma Me J V S D
« juin    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
3031