HOROHORON-TANY TETO MADAGASIKARA | Madatopinfo

Madatopinfo

HOROHORON-TANY TETO MADAGASIKARA

HOROHORON-TANY TETO MADAGASIKARA

HOROHORON-TANY TETO MADAGASIKARA
janvier 16
09:41 2017

HOROHORON-TANY TETO MADAGASIKARA

Tafakatra 5,9 tamin’ny maridrefy Richter ny heriny

Nihovitrovitra ny tany, nihorohoro ny vahoaka. Taitra avokoa ny ankamaroan’ny faritra maro manerana ny Nosy. Vao maraim-be tokony ho tamin’ny 1 ora sy 7 minitra teo ho eo ny Alakamisy 12 Janoary 2016, nisy horohoron-tany azo lazaina ho nahery vaika teto Madagasikara. Anisan’ny faritra naheno ity loza voajanahary ity  ny teto Analamanga sy ny manodidina. Voalaza fa tany Atsimo Andrefan’ny faritra Vakinankaratra no foibeny, 45 kilômetatra miala amin’ny Betafo. Nahare mafy izany ny mponin’ny Betafo sy ny manodidina araka ny vaovao azo avy tany an-toerana. Naharitra 20 segondra ity horohoron-tany ity. Azo lazaina ho naharitra sy mafy ny herin’ity fihovitrovitry ny tany ity satria nahatratra 5,9 tamin’ny maridrefy Richter ny heriny. Raha ny fanadihadiana natao, tamin’ny volana Aprily taona 1991 no nahitana tranga mitovitovy tamin’ity teto Madagasikara. Tranga izay nahatratra 5,6 tamin’ny maridrefy Richter, ary tany faritra Bongolava iny no nisy ny foibeny tamin’izany. Fantatra ihany koa fa naheno izany horohoron-tany ihany koa ny tany amin’ny firenen-kafa toy ny Chili sy tao amin’ny Nosy La Réunion.

Vokany

Tsy mbola fantatra hatreto ny akon’izany loza voajanahary niseho teto amintsika teto izany. Raha ny hita nanerana ny tambazotran-tserasera “facebook” sy “tweeter” dia fantatra fa nisy trano vitsivitsy nitriatra tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny tamin’ny fotoana nandalovan’ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy fa tsy vitsy kosa ireo feno tahotra. Mbola tsy namoaka vokatra ofisialy hatreto ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina sy ny tompon’andraikitra misahana ny loza voajanahary. Miditra tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika izao, misy ireo rivo-doza voalaza fa handalo eto amintsika ka mila mailo avokoa ny rehetra manoloana izany. Ho avy ihany koa atsy ho atsy ny rotsak’orana matevina araka ny efa nambaran’ny sampan mpamantatra ny toetry ny andro, izay ahiana hiteraka fihotsahan’ny tany indrindra amin’ny faritra avo. Mbola andrasana ihany koa ny vaovao marim-pototra miainga avy any Antsirabe, manahy ny ankamaroan’ny olona fa noho i Vakinankatra ahitana volkano no anton’io loza niseho io.

Mickah RAHARISOA

 

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031