SAVA SY DIANA. FOTODRAFITRASA. | Madatopinfo

Madatopinfo

SAVA SY DIANA. FOTODRAFITRASA.

SAVA SY DIANA. FOTODRAFITRASA.

SAVA SY DIANA. FOTODRAFITRASA.
janvier 11
09:16 2017

SAVA SY DIANA. FOTODRAFITRASA.

Kabary nahazo tehaka ny fanamboaran-dàlana Ambilobe – Vohémar

Ny fanamboarana ny làlana mampitohy an’ny Vohemar sy Ambilobe no hany mba nahazo tehaka nirefodrefotra tamin’ny kabarin’ny Filoha tamin’ny fifampiarahabana nahatratrarana ny taona  2017, ny 6 Janoary teo teny Iavoloha. Làlana 165 km, izay  anisan’ny mampikolay indrindra eto Madagasikara. Toa an’Antsirabe Antananarivo izay atao adin’ny roa mahery kely amin’ny fiara fitanterambahoaka, dia andaniana 6 andro amin’ny fiara tsy mataho-dàlana amin’izao vanimpotoanan’ny rotsak’orana izao ho an’Ambilobe Vohemar. Io làlana io no voalohany amin’ny fanesoana amin’ny pejin’ireo Tambazotram-piarahamonina amin’ny fahavaratra toy izao. Làlana izay mampifandray ny faritra roa samy manankarena dia SAVA sy DIANA, amin’ny avaratry ny Nosy. Efa voasoritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny volavolam-pandaniana ny volam-panjakana 2017 io voalazan’ny Filoha io. Midika izany fa tapitra hatreo ny nofy sy ny fampanantenana poak’aty nataon’ireo mpitondra nifanesy , fa tena ho hatao tokoa io làlana io. Ankoatra io fotodrafitrasa io dia nambaran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina fa hovitaina amin’ity taona ity ihany koa ny fanatsarana sy fanitarana ny seranantsambon’ny Toamasina sy Toliary. Izany rehetra izany moa dia efa dingana fandresendahatra ny vahoaka amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona ho avy.

Raha nanao tatitra ny Filoha mahakasika ny taona 2016, dia voalazany fa taonan’ny asa iny lasa iny, porofon’izany ireo fotodrafitrasa maro izay notokanany sy ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka. Nilaza izy fa hamafisina kokoa izany asa izany amin’ity taona izay diavina ity. Amin’ny lafiny tontolo iainana dia hisy dinam-piarahamonina iadiana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka eo am-pamolavolana izany lahatsoratra izany ireo teknisianina sy ny manampahefana isan-tokony voakasik’izany.  Anisan’ny andrandrain’ny maro ny fanafoanana ireo olana goavana izay mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, nefa tsy nisy teny mazava ny famahana izany tahaka ny : fahatapahan-jiro lavareny manerana ny Nosy, tsy fandriampahalemana izay anjakan’ny jiolahy sy dahalo mitam-piadiana mahery vaika, pesta izay lasa manerana faritra maro ka mamono olona maro, ny vidim-piainana izay tsy mitsahatra mitombo andro aman’alina, ny fijalian’ireo mosarena any amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara, ny lozam-piarakodia maniry ohatry ny ananana, ny kolikoly sy tsolotra amin’ny sehatra rehetra…

HAJA Nirina

 

 

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

janvier 2018
L Ma Me J V S D
« jan    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031