NY PRAIMINISTRA MAHAFALY OLIVIER | Madatopinfo

Madatopinfo

NY PRAIMINISTRA MAHAFALY OLIVIER

NY PRAIMINISTRA MAHAFALY OLIVIER

NY PRAIMINISTRA MAHAFALY OLIVIER
janvier 11
09:00 2017

NY PRAIMINISTRA MAHAFALY OLIVIER

 Nanao tatitra  ny zava-bitan’ny governementa tarihiny

Nohamarinin’ny Praiministra Mahafaly tamin’ny alalan’ny antontan’isa ireo zava-bitan’ny ekipan’ny Governemanta tarihiny. Nisongadina io nandritra ny lahateny nataony raha nandray fitenenana ny tenany  tamin’ny lanonana fifampiarahabàna natokana ho an’ny Filohan’ny Repoblika mivady ny Zomà faha-06 Janoary 2017 lasa teo iny, teny amin’ny Lapam-panjakàna Iavoloha.

Nahatratra 25 kilao ny lanjan’ny volamena  sarona raha nokasaina haondrana an-tsokososko teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato tamin’iny taona 2016 lasa iny. Teo ihany koa ireo harem-pirenena saika haondrana  antsokosoko any ivelany toy ny sokatra. Anjatony ireo saron’ny mpiasan’ny fadin-tseranana tamin’izany, tsy latsaky ny 700 isa ireo biby arovana ireo. Ary efa noraisin’ny ny mpitandro filaminana an-tànana ny raharaha sy fepetra mifandraika amin’izany. Samy nanao ny anjara manandrify azy koa ny fitsarana tamin’ireo fandikàn-dalàna ireo.

Nambarany ihany koa fa tsy niraviravy tànana ny governemanta tamin’ny alalan’ireo departemanta misahana ny fandriam-pahalemana tamin’ny ady natao tamin’ ny asan-jiolahy sy ny asan-dahalo. Noezahina nofehezina ireo toerana nafana sy lazaina fa faritra mena. Nody ventiny ny rano natsakaina. Nisy ireo dahalo maty voatifitry ny mpitandro filaminana. Nisy ihany koa ireo omby tafaverina tamin’ny tompony. Tsy azo hodiana tsy hita ihany koa anefa ireo aina nafoy tamin’ireo mpitandro filaminana , satria manana fitaovam-piadiana ihany koa ireo fahavalon’ny fandriam-pahalemana. Nanamafy ny fahavononany hanohy ny asan’ny mpanatanteraka ihany koa ity Praiministra ity. Raha akapoka dia nanambara ho nitondra ny anjara birikiny teo amin’ny sôsialim-bahaoka ny Governemanta Mahafaly, izay faha-03 hatramin’ny naha-filohan’ny Repoblika an-dRajaonarimampianina izay. Ka anisan’izany ny Vatsin’ankohonana nozaraina tany amin’ireo natokana ho amin’izany. Anisan’izany koa  ny fandraisana mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakàna raikitra izay manodidina ny 10 000 latsaka kely izany. Tsy nisy intsony koa ny fanondranana andramena antsokosoko nandritra iny 2016 iny.

Nambarany raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany raha iny nandao ny efitrano malalaky ny “Ceremony Building” iny, fa tsy anjarany ny mamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny resaka fanovàna ny governemanta, izay niteraka resa-be tato ho ato. Ny filoham-pirenena ihany hoy izy no tompon’ny teny farany momba izany.

Randrianaivoson Elie

 

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

avril 2018
L Ma Me J V S D
« mar    
 1
2345678
9101112131415
16171819202122
23242526272829
30