FITATERANA | Madatopinfo

Madatopinfo

FITATERANA

FITATERANA

FITATERANA
janvier 11
08:49 2017
  • FITATERANA
  • MANARARAOTRA MIHAZONA NY SARAN-DALANA ARA-DALANA IREO MPITATITRATsy nisy tsy nikaikaika ireo mpandeha nivezivezy nandritra iny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao 2017 iny. Na ireo mpitatitra  zotra reziônaly na nasiônaly dia nampihatra io fepetra io teny amin’ireo tranohevan’ny kaoperativa. Raha tsiahivina dia ny fiandohan’ity taona vaovao 2017 ity, dia niakatra 80 Ariary ny vidin’ny solika toy ny lasantsy maivana tsy misy firaka sy ny solitany fandrehitra raha toa ka 160 Ariary kosa ny fisongan’ny vidin’ny gazoala isaky ny litatra. Io no tena amikiran’ny mpitatitra mpandeha, ka nahatonga azy ireo mihazona ny saran-dàlana sy ara-dalàna. Izany hoe tsy manaiky iadiana varotra intsony ireo mpivarotra tapak’ila satria tsy maintsy eny aminy ihany no antonin’ny mpandeha, mba ho ara-dalàna sy tsy ho very vola amin’ny tsy antony ireo mpandeha.

    Amin’ny ankapobeny dia tsy ahitàna tranoheva fivarotàna tapakilan’ny mpandeha ireo zotra reziônaly noho ny fahabetsahan’ireo mpanera mihaza mpandeha eny am-bavahadain’ireo toeram-piantsonana. Tsy vitan’izany fa misy dia misy tokoa ireo ary hita maso tsy takona hafenina ireo mpitatitra tsy manara-dalàna ka tonga hatreny Anosikely sy eny akaikin’ny hidin-dàlam-by ireo tsy tàn-dalàna. Mitazam-potsiny sy faly mandray kolikoly ireo mpitandro filaminana ka zary miaro ireo tsy mpanara-dalàna. Voarahona mihitsy aza moa ny mpanao gazety mitrandraka vaovao eny amin’ireo toerana ireo. Kanefa moa dia samy manao ny asany  avokoa ny tsirairay avy.

    Tsy dia hitàna ireo teo-javatra ireo kosa ny faritry ny fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny Fasan’ny karàna sy Ambodivona ary Antohomadinika sy Ampasampito. Ankehitriny moa dia efa misy ireo kaoperativa matanjaka nanome ainga vao amin’ny sahan’asany. Manara-penitra ny kalitaon-draharaha sy fandraisana ary ireo fiara raitra sy hiaka farany. Saika eny Ambodivona avokoa ny foibe itoeran’ireo kaoperativa ireo. Manatombo 5 000 hatramin’ny 10 000 Ariary na mihoatra aza any amin’ireo orinasa sasany. Efa manomboka mahazo vahana eo amin’ny fitaterana reziônaly sy nasiônaly izany. Ireo olona manan-katao sy mpizaha tany no mpanjifa kendren’ireo mpitatitra ireo. Fa misy dia misy ihany koa ireo tera-tany Malagasy no manjifa ireo fitaovam-pitaterana ireo.

    Mahatsiaro tena ho afa-po tokoa ireo mpandeha eny anivon’ireny fitaterana manara-penitra ireny. Ireo mpitatitra ihany koa moa dia miezaka manome fahafaham-po  ireo mpanjifany toy ny fahazoana mampiasa fifandraisan-davitra mandritra ny dia toy ny “wifi” isaky ny fiarakodia tsirairay. Mahasarika mpandeha maro tokoa ity fomba iray ity.

    Na eo izany rehetra izany dia samy milaza ireo mpitatitra eny anivon’ireo kaoperativa tsotra fa hanaiky ny adivarotry ny mpandeha ihany izy ireo satria efa vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao. Tsy azo ihodivirana ihany koa anefa ny  marimaritra iraisana eo amin’ny mpandeha sy ny mpitatitra, sady efa anisan’ny kolon-tsaina sy soatoavina malagasy rahateo.

    Randrianaivoson Elie

     

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

octobre 2018
L Ma Me J V S D
« sept    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031