Mahajilo-Miandrivazo: Mitohy ny asa tana-maro amin’ny vonjy rano vaky | Madatopinfo

Madatopinfo

Mahajilo-Miandrivazo: Mitohy ny asa tana-maro amin’ny vonjy rano vaky

Mahajilo-Miandrivazo: Mitohy ny asa tana-maro amin’ny vonjy rano vaky

Mahajilo-Miandrivazo: Mitohy ny asa tana-maro amin’ny vonjy rano vaky
février 03
11:30 2015

Efa mirotsaka ny orambe entin’ny rivodoza Diamondra, ny faharavana teo aloha anefa mbola tsy voaarina. Mitohy ny asa tana-maro ho fanarenana ny fefilohan’ny Mahajilo ao Miandrivazo, faritra Menabe. Raha ampatsahivina dia noho ny rivodoza Chedza izay nitondra rivotra sy rotsak’orana betsaka no nahavaky ity sisin-drano ity. Vokany mahatratra hatrany amin’ny 90% no potika ireo fambolena. Hany ka mosarena noho izany ireo rehetra manana aina mivelona amin’ny vokatry ny tany : ny mponina sy ny biby fiompiny. Noho ny vonjy rano vaky dia tsy miroa fo ny mponina amin’ity asa tana-maro ity. Ny karaman’ireo vahoaka manetsina izany fefiloha vaky izany dia avy amin’ny asa sosialin’ny prezidansa, ifandrombonana amin’ny BNGRC  sy ireo malala tanana. Tsy misatry fanahy ireo tomponantoka dia ny lehiben’ny faritra Menabe sy ny tale jeneralin’ny ministeran’ny asa vaventy, amin’ny fitantanana ity asa ity mba hahavita izany haingana, sady manararaotra ny andro maina sy ny rano miha mihena.

Raha ny fahitan’i Lanto Flavie Razanadraibe, mpivarotra any Morodava sy amin’iny faritra Miandrivazo izany tondradrano izany dia tsy misy fanantenana intsony ireo fambolena vary anatyrano sy ireo voly avotra ary hanikotrana amin’ny tany baiboho manodidina an’ny Mahajilo. Hoy I Lanto manazava izany eo amin’ny fandraisam-peonay mpanao gazetin’ny MTI : “Tsy misy fambolena velona intsony amin’izany difotra anaty rano nandritra ny 20 andro mahery izany. Ny loza tsy mampiomana fa raha ny fahitana io “digue” io dia efa ela no tokony natevenina” . Zary fahendrena ara-kevitra sy kabary ambony vavahady fotsiny anefa  ilay fitenenana hoe“Ny fisaorana toy ny fefiloha ka ny manatevina ihany no mety”. Fa tsy misy fampiharana amin’ny fiainana andavan’andro izany. Maro ireo fefiloha efa mihamanify izay sisian’ny rano sy ireo mpaka fasika ary mpitrandraka volamena no tokony hatevenina mialoha ny fahavaratra.

Partager

Articles connexes

0 commentaire(s)

Pas de commentaire pour l'instant !

Il n'y a pas de commentaire pour l'instant, voulez-vous en écrire un ?

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.
Les champs obligatoires sont marqués *

Archives

juillet 2019
L Ma Me J V S D
« juin    
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031