Madatopinfo

 Flash Info

3,14 AMBATONAKANGA: Hamerin-danja ny fanorona amin’ny alalan’ny fampirantiana miavaka

3,14 AMBATONAKANGA: Hamerin-danja ny fanorona amin’ny alalan’ny fampirantiana miavaka

3,14 AMBATONAKANGA: Hamerin-danja ny fanorona amin’ny alalan’ny fampirantiana miavaka
novembre 09
15:30 2021

Ny eto afovoan-tany no tena havanana amin’ny fikirakirana ny fanorona, tsy lalao fotsiny izy io fa mifono harena lehibe ho an’ny malagasy, ampiasaina amin’ny fanorenana trano, fanjakana, ary koa anisan’ny paikady nentin’ny mpajaka tamin’ny androny. Ho fanomezan-danja sy hasina ny fanorona indray, misy ny fampirantiana momba ity lalao ity eny amin’ny 3,14 Ambatonakanga ary haharitra andro maromaro. “Natao amin’ny endriny hafa ny fanorona izay hampisehoana eto, misy ny vita amin’ny fantsika aman’arivony, misy koa ny vita amin’ny hazo sy vy amin’ny endriny sphère”, hoy i Eris rabedaoro, teknisiana momba ny lalaon-tsaina fanorona. Tanjon’izao fampirantiana izao ny hanaitra sy hisarika ny malagasy hankafy indray ny fanorona sy hitehirizina hatrany ny fahalalana, hoy hatrany ny fanazavany. Taloha tokoa mantsy ny zokiolona ihany no mpilalao azy ity, taty aoriana kosa efa betsaka ny tanora manodidina ny 17 taona no mirona amin’izany. Raha tsiahivina, misy karazany telo ny fanorona: fanoron-telo, fanoron-dimy ary fanoron-tsivy. I Madagasikara irery ihany mantsy no firenena manana ity lalao mifono haren-tsaina ity sy namorona azy, fa misy firenena hafa milalao azy fa amin’ny endriny hafa.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031