Madatopinfo

 Flash Info

FIANARANA MAIMAIMPOANA : Very fihinana ireo tomponandraikitra zatra nitavana ny volan’ny mpianatra

FIANARANA MAIMAIMPOANA : Very fihinana ireo tomponandraikitra zatra nitavana ny volan’ny mpianatra

FIANARANA MAIMAIMPOANA : Very fihinana ireo tomponandraikitra zatra nitavana ny volan’ny mpianatra
octobre 27
14:30 2020

Tapaka sotro fihinanana ! Nony tsy nasaina nandoa vola ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana dia nimenomenona ireo mpiandraikitra efa zatra nikepoka ny karazam-bola azony ( Droit, FG, tee-shirt, short, opération gâteau, jobily, karazam-pety, excursion, voyage d’étude, cravate, tenue, … nefa ilay ravindamba amin’io manify kely, ny tablier zaitra antsena).
Mila jerena koa anefa ireo « Mpampianatra-Fram » fa tsy mety mandoa vola sy vary intsony ny ray amandrenin’ny mpianatra nefa ny ampahafolon’ny mpiasa sy mpampianatra amina sekoly sasany no mba hany mpiasam-panjakana. Ny fanampiana na ny “ subvention » avy amin’ny Fanjakana hatrizay koa voalaza fa tara na tsy ampy akory.
Andrandrain’ny tomponandraikitra amin’ny sekolim-panjakana ny famahan’ny Ministera mpiahy ny Fanabeazampirenena sy ny Teknika ary ny Fanjakana foibe an’io olan’ny mpampianatra izay karamain’ny fikambananan’ny ray amandrenin’ny mpianatra io, izay marihina fa saika mandrakotra ny ankamaroan’ny sekoly. Tsikaritra fa saika ny mpiasa birao sy ny mahitahita no lasa mpiasam-panjakana hatrizay fa ny tena mpampianatra misy amam-polontaonany mijanona ho FRAM hatrany.
Sary fanehoana
La Rédaction

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031